Teny andalana.

Nampidirin'i sasa | 26 Nov, 2007

Ity izany misy zavatra hitako teny andalana, mba nirava aloha za tamzay dia somary gaga ihany nahita ny trangan-javatra toy izao.

Nisy ranamana 1 izay teo ho eo amin'ny 35taona teo, somary misy fitohanan'ny fiarakodia moa izany eny amin'iny lalana miakatra mankany behoririka iny, izany hoe Soarano, iny ilay ranamana fa mody nianjera tao aorinan'ny fiarakodia 1, ka nikaikaika milaza fa marary be ny tongony, nefa d hitan'ny masoko izao fa tsy nandona an'azy akory ilay fiara, d tonga koa ny mpamporisika sy ireo tsy nahita akory nilaza fa hoe :"Aza manaiky fa tonga d mangalà vola" asa moa ireto farany ireto raha namanay ihany fa olona maro ihany koa izahay no nahita ny tena zava misy marina.

Ka asa re na dia ny hoe fitadiavana mahazaka maniraka aza, d hisoloky tahaka izany.


10 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Teny andalana."

  1. tandremo tandremo fa misy mpisoloky toy izany. amin'izao fotoana izao dia malaza ny fahantrana sy ny fahasahiranana ka mitady hevitra ny olona mba "ahazoana kely" e !

    ohatra hafa koa ity : hitanareo ireny mpangataka ireny, rehefa omena amin'ilay sakafo izy dia mody mitangolika be eo dia hoe marary kibo be nony avy nihinana ilay sakafo dia tamy ny lehibe (zokiny na ray aman-dreniny) mila ady sy vanony eo... dia saino ny tohiny fa ianao tsy maintsy miantoka kely aloha ankoatra ny fahafam-baraka azo maimaim-poana.

    Nampidirin'i rhya 26 Nov 2007, 13:06
  2. Za aloha dia tena nahita ary gaga tamin'izay, lasa mintsy ny saiko hoe mahavita zavatra tsy ampoizina ny Malagasy sasany,ny tena nahavarina an'ahy koa dia ilay fihetsiny, nikonaina be, nefa dia tsy voakitika akory, satria ilay fiara nandroso, dia ilay somary otrany misy mandroso mihemotra kely iny, dia mody nitazona tao aoriana tao ilay ranamana, dia nilaza fa voadona. Efa manomboka betsaka ny olona tsy azo hitokisana intsony izany amin'izao fotoana izao.

    Ilay mpangataka aloha, raha za manokana, tena manomboka fidifidiko izay homeko, fa efa betsaka mintsy ny ray amandreny manao ny zanany ho fitaovana mantsy.

    Ity koa misy ohatra hafa.
    Vao tsy ela akory izay ny mpiara-miasa amiko no nampiditra mpanampy vaovao tao an-tranony, olona nalaina avy amin'ny toby anankiray eto Andrenivohitra izy io,ary hahitana karazan'olona maro tokoa, ao ny kilasy mandry, ao ny kilasy mody, ary ao ny manasa lamba fotsiny.
    Nalaina ny alakamisy ny tovovavy 1 teo ho eo amin'ny 18 taona teo,dia natao niresaka ary nilamina, efa natoky azy tokoa ny Mpampiasa satria izy dia tena tovovavy malemy paika tokoa, ary mora azony mintsy ny fon'ny Mpampiasa an'azy. Tonga ny alahady dia nandé namangy fianakaviana ny Mpampiasa(mpivady kely miaraka amin'ny zanany kely) nody ry zareo ny hariva tsy mbola nisy olana, fa ny alatsinainy kosa, dia mbola nandé nivoaka izy mianaka satria nisy taratasy nokarakaraina, ary i Ramose moa dia mandé miasa otran'ny mahazatra,tonga izy mianaka ny hariva, dia napetraka ny poketra, tsy nieritreritra na inona na inona, lasa nandé nankany an'efitra nampatory ilay zaza, avy natory ny zaza dia nande nivadika tao an'efitra tsy mbola mieritreritra na inona na inona, lasa ilay mpanampy miaraka am siny fatsakana rano nilaza fa ho any amin'ny trano fandroana, ilay trano fandroana raha teo moa hikambanana ka any ambany. Ela ela dia tsy mbola niverina ilay mpanampy ka narahany tany, gaga nefa ilay Madama nahita fa mipetraka tsara ao amin'ny trano fandroana ny siny.Teo vao tonga saina ary niazakazaka niakatra, kay ny vola rehetra tao anaty poketra sy ny finday,ary izay entana akaiky sy mora alaina efa lasany daholo. Nikoropaka nande niantso polisy, ary niaraka tany amin'ny toby izy ireo, ka rehefa tonga tany dia toa nanao valin-teny miavona koa ilay olona tao, ary nilaza fa tsy tompon'Andraikitra amin'ny toetran'ny olona tsirairay sady tsy manana ny mombamomban'ity tovovavy.Dia inona moa no natao fa niala maina sady nody amin'ny alahelo ary tena tsy te-hiherika mpanampy intsony na dia sahirana mafy aza.
    Efa malaza arak'izany izao fa misy vondron'olona manera mpanampy hangalatra fotsiny any amin'ny mpampiasa an'azy, ka samia isika rehetra mitandrina sy mailo refa haka mpanampy.

    Nampidirin'i sasa 26 Nov 2007, 13:35
  3. Izao izany ilay hoe maka dommages dommages et intérêts :) izaho aloha dia mahatsapa mihintsy fa maro tokoa ny olona manararao-paty amin'ny zavatra tsy misy dikany e ... amin'ilay sitrany ahay sy ny asarotry ny fianana ... mampalahelo indraindray :(

    izany eo ihany fa, faly be aho mamaky ny toraka bilaoginao ry sasa :)
    mazotoa manoratra fa efa be mpamaky e!

    Nampidirin'i harinjaka 28 Nov 2007, 07:06
  4. harinjaka za kosa anie efa niteny hoe hiezaka be araky izay tratra za, hameno an'ity blaogy ity. Dia hazoto hanoratra tokoa moa izany

    Nampidirin'i sasa 28 Nov 2007, 11:30
  5. giravy indray ireto tantaranao ry sasa, marina moa.
    Ny fahantrana ve no mahatonga izany sa ny fitsiriritana sa ahoana? Fa dia mampalahelo ilay tranganjavatra.

    Mila mailo ihany eo @fiainana raha izany fa na malina aza mifehy hazo tokana hoy ny fitenenana.

    Nampidirin'i maintikely 28 Nov 2007, 19:46
  6. maintikely mbola betsaka noho izany aza ny zavatra hitako fa ho tantaraiko eto daholo fa mbola misy zavatra mahasahirana kely an'ahy alhoa amzao,misaotra namaly d mazotoa mamangy matetika fa hisy lahatsoratra vaovao foana ato.

    Nampidirin'i sasa 29 Nov 2007, 08:41
  7. ny zanako r'ireto nampidirina nianatra raha vao 1 taona sy 10 volana, tsy tany amin'ny "crèche" fa tena "école" ary niditra "jardin d'enfants", tsy hoe kamo ny ray aman-dreny fa iaraha-mahalala ny samy mitady dia naleo nanambitamby maîtresse fa sady manovo fahalalàna ny zaza no misy mpitaiza. Leo mpanampy izahay tamin'izany fa ny mpanampy dia voky alohan'ny mpampiasa ary mpangalatra matetika. Ka tandremo ihany e ! io resaka siny fatsakana io dia tranga nahazo anay mihitsy tokoa, nefa dia olona iantrana ilay mpanampy kay "ZANA-BARATRA"

    Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Nov 2007, 12:21
  8. milay be aloha ny eto @ sasa an!

    d mampalahelo mampihomehy be koa ilay olona mody voadona, dia tsy nisy sahy nidohika ve hoe tsy tapaka ny tongony? eny e, samy mitady koa io koa
    Mazana ihany izany

    Siora e

    Nampidirin'i ikalakely 06 Des 2007, 18:37
  9. Tena fetsy izany olona izany aky Sasa ah! sssssh!

    Nampidirin'i vale 07 Des 2007, 01:27
  10. Miandry izany izahay ry sasa an! vitao aloha ny manahirana: mahasoa aloha vao ny mahafinaritra hoy ny fitenenana :)

    Nampidirin'i maintikely 09 Des 2007, 13:00